1 DIA namaly Joba ka nanao hoe: 

2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana hianareo rehetra. 

3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany? 

4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, Raha mba tonga tahaka ahy hianareo; Eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho Ary mahazo mihifikifi-doha aminareo; 

5 Mahazo mampahery anareo amin'ny vavako aho, Ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny famplononana ataon'ny molotro. 

6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany. 

7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra. 

8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, [Na: nosamborinao aho.] ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany. 

9 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, Mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko; 

10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy. 

11 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, Ary natsipiny ho eo an-tnan'ny mpanota. 

12 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, Sady natsangany ho marika hokendreny. 

13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra Ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany. 

14 Bangabangainy lalandava aho, Ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy. 

15 Lamba fisaonana [Heb. lamba malailay.] no voazaitrako hanarona ny hoditro, Ary nalko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko. 

16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, Ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana; 

17 Kanefa tsy misy eto an-tnako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako. 

18 Ry tany , aza manarona ny rako, Ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako! 

19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, Eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo. 

20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, Dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho, 

21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy Sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako. [Heb. sakaizany.] 

22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, Dia handeha any amin'ny llana izay tsy hiverenako intsony aho.
